4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny endrikao - Henri ratsimbazafy

Raha sendra hakiviana
ka tsy hita izay hatao
dia mitondra hafaliana
NY ENDRIKAO

Toa masoandro vao maraina
mampisava tsotra izao
irony zavon'adin-tsaina
NY ENDRIKAO.

Tena feno hazavana
izao tontolo izao
raha mirana mazana
IZANY ENDRIKAO

Fa maizina ny tany
ka manjombon-dava ao
raha lalovana tomany
NY ENDRIKAO.

Azoko ambara
tsotra izao
marobe no tsara
noho ianao
Nefa asa lahy
fa ny endrikao
no manintona ahy
lalandava izao...

Partager ny endrikao

Commenter ny endrikao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite